Solika: 72 tapitrisa litatra tonga ao Toamasina androany maraina

  • vendredi, 25 octobre 2019 21:00
  • Zakaria
  • Sary OMH

Niantsona ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina, androany zoma 25 oktobra 2019 tamin’ny 6 ora maraina ny sambo mpitatitra solika Gulf Coral.

Solika miaty 72 tapitrisa litatra no entiny, mitsinjara ho lasantsy 17 100 000 litatra, gazoala 52 200 000 litatra ary solika fandrehitra 2 600 000 litatra no taterin'io sambo io.

Rahampitso sabotsy 26 oktobra 2019 avy hatrany dia hihazo tsikelikely ny tobin-tsolika an'Antananarivo ireo solika vao tonga ireo.

Manamafy ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures) fa mbola ampy tsara hiatrehana ny filàn’ny mpanjifa ny tahirin-tsolika eto Antananarivo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.