Anosibe An’ala: Zaza folo volana nalain’ireo jiolahy an-keriny

  • vendredi, 25 octobre 2019 20:35
  • Zakaria

Nitrangana fanafihana mitam-basy tany amin’ny tanàna iray eo amin’ny PK32 amin’ny lalam-paritany mampitohy an’i Moramanga amin’Anosibe an’Ala, ny alin’ny alakamisy hifoha ity zoma 25 oktobra 2019 ity. Fito lahy mitam-basy nanafika toeram-pivarotana iray. Norobain’izy ireo ny vola sy entana ary nentin’izy ireo natao takalonaina ny zazakely vao 10 volana.

Nanaradia avy hatrany ny Fokonolona. Navelan’ireo olondratsy tany amin’ny PK13 ilay zaza, avotra soamantsara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.