Ambalakidresy – Ambohimahasoa: Ramatoa iray maty notifirin’ny dahalo

  • jeudi, 24 octobre 2019 15:03
  • Zakaria

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao Ambatofolaka Kaominina Ambalakidresy, Distrika Ambohimahasoa ny 22 oktobra hifoha ny 23 oktobra 2019, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Dahalo ampolony, mitam-basy no nanafika tokantrano iray.

Kojakojan-dakozia, akoho amam-borona maro no very nandritra izany. Maty notifirin’ny dahalo ny vehivavy iray tompon-trano. Nahitana taim-bala 7,62 mm miisa roa tavela teo amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana. Misokatra ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy ataon’ny Zandary avy amin’ny Brigady Ambohimahasoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.