Bongolava: Olona 5 matin’ny pesta tao anatin’ny 3 volana

  • jeudi, 24 octobre 2019 14:42
  • Zakaria

17 ny trangan’aretina voamarina fa pesta atoditarimo « bubonique » tao amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy tao anatin’ny telo volana, teo anelanelan’ny 23 aogositra 2019 hatramin’ny 19 oktobra 2019. Namoy ny ainy ny 5 tamin’ireo.

Tao amin’ny Fokontany Marovotry, Kaominina Bemahatazana ny 16 tamin’ireo voa ireo, ka namoy ainy ny 4 tamin’ireo ny volana septambra lasa iny. Tao amin’ny Kaominina Marotampona ny tranga faha-17 izay namoy ny ainy ihany koa ny fiandohan’ity volana oktobra ity.

Natsangana ny vaomieran’ny fahamaizana ao Bongolava hidina hanara-maso, hanao fanentanana ara-pahasalamana ny mponina momba ny fahadiovana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.