Ambalanirana-Tsiroanomandidy: Basy telo tratra, olona telo voasambotra

  • jeudi, 24 octobre 2019 12:18
  • Zakaria

Basy mahery vaika iray MAS 36, miaraka amin’ny bala 14, basy lava « calibre 12 » marika « BAIKAL » iray, ary basy lava tefy gasy iray no saron’ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Avancé » Ambalanirana omaly alarobia 23 oktobra 2019 tao Beraketa Fokontany Fihaonana amin’io Kaominina Ambalanirana io, nandritra ny fisavana nataon’izy ireo tamin’ny trano iray tao an-toerana, araka ny loharanom-baovao azon’izy ireo. Olona roa, miampy ny tompon-trano nahitana ny basy no voasambotra niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana ireo. Mandeha ny fanadihadiana amin’izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.