Ampanihy Andrefana: Mitaky ny hanakatonana ny fiangonana "Sarôna Fiandrasan`Ondry" ny vahoaka

  • lundi, 21 octobre 2019 23:06
  • Zakaria
  • Sary nomena

Vahoaka maro no indray nidina an-dalambe, sady nilanja sorabaventy androany alatsinainy 21 oktobra 2019, teto Ampanihy Andrefana, mitaky tsy misy fepetra ny hanakatonana ny fiangonana "Sarôna Fiandrasan`Ondry" (É.S.F.O.M), izay Fiangonana vao niforona eto Madagasikara.

Tsy fanajana ny zon' olombelona miaro fanararaotana ara-nofo ataon’ny pasitera ao amin’ny fiangonana no anton’izao fitakiana ny fanakatonana, eny ny fandravana mihitsy aza, ity fiangonana ity izao, hoy ireo nitondra teny, entin-katezerana manoloana ny zava-mitranga ka anairan’izy ireo ny manampahefana handray andraikitra haingana.

Tsy azo asiana vatapaty ny mpivavaka ao aminy rehefa maty, ary ny tena loza, hoy hatrany ny fitarainan’ny olona teto Andranomamy dia tsy enken'ilay pasitera ho tsaboina eny amin’ny hopitaly ireo mpivavaka ao aminy, tsy azo atao vaksiny na tsindromina.

Tsy hijanona ny hetsika, hoy izy ireo, raha tsy to ny fitakiana, dia ny hanakatonana ity fiangonana "Sarôna Fiandrasan`Ondry" ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.