Maintirano: Miakatra an-tampontanàna ny dahalo

  • lundi, 21 octobre 2019 20:31
  • Zakaria
  • Sary nomena

Mandry an-driran’antsy ny mponina eto Maintirano amin’ny tsy fandriampahalemana. Maro no efa lasibatra tamin’ireo tanàna manodidina toy ny nanjo ny mpivarotra enta-madinika iray tao Andrafia Kaominina Andrea, nitranga tamin’ny talata 08 oktobra teo. Tato ho ato dia miakatra eto an-drenivohitry ny Faritra Melaky ireo dahalo.

Tonga omaly alahady 20 oktobra 2019, eto Maintirano ny andia-miaramila avy amin’ny Rezimanta faha-2 ny Faritany Miaramila faha-4 (2/RM4) Mahajanga ka manantena ny mponina fa hiverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana aty Melaky.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.