Bakalôrea: Miisa 97 136 ireo mpiadina afaka hiatrika ny fihodinana faharoa manokana

  • lundi, 21 octobre 2019 19:45
  • Zakaria

Hotanterahina ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2019 ny fanadinana bakalorea fihodinana faharoa manokana. « Efa lasa any amin’ireo ivon-toeram-panadinana manerana ny Nosy ireo laza adina, arahin’ireo mpiambina eny anivon’ireo Zandarimariam-pirenena », araka ny fampitam-baovao nataon’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana aran-tsiansa.

97 136 ireo mpiadina afaka hiatrika io fiodinana faharoa manokana io. Manana safidy anefa ireo mpiadina na hiatrika na tsia izany fanadinana izany.

Tsy hisy intsony ny taratasy fiantsoana na ny convocation. Tsy hiova ny ivon-toeram-panadinana, tsy hiova ihany koa ny efitranom-panadinana. Manantona avy hatrany ny « Office du baccalauréat » ireo izay manana olana amin’ny taratasy fiantsoana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.