Andavamamba-Antananarivo: Nirehitra ny trano, may ny fiara

  • dimanche, 20 octobre 2019 17:43
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nitrangana haintrano teto Andavamamba, manoloana ny Alliance Française io atoandro io. Niainga tao anaty trano ny afo, dia niitatra tamin’ireo fiara amidy mitoby amin’ny tany malalaka manolotra azy mandrampahatonga ny mpamonjy voina an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Sahirana ny mpamonjy voina tamin’ny famonjena noho ny fanelingelenan’ireo olona sy fiara mijanona nitaza-maso ny afo miledaleda, nibahana ny lalan’izy ireo. Tsy nitandro hasasarana kosa ireo Zandary sendra ity loza ity, fa nifanome tanana tamin’ireo niharam-boina sy ireo nanolo-tena nanomo afo sy nanosika ny fiara afaka nakisaka tsy ho tratry ny afo.

Efa voafehy ny afo. 

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.