Avaradrova Avaratra – Ambatondrazaka: Raim-pianakaviana iray maty ho azy teo amoron-dalana

  • samedi, 19 octobre 2019 20:49
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

Lehilahy iray, sahabo eo amin'ny 60 taona eo ho eo no maty tampoka ny marainan’ity sabotsy 19 oktobra ity, teo amin'ny kihon-dalana iray ao amin'ny Fokontany Avaradrova Avaratra, Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka.

Olona sahirana ara-pivelomana izy ary mitsindroka fako no asany eto Ambatondrazaka, fa any amin'ny Fokontany Ambalavato ireo vady aman-janany. Efa ho efatra andro ity lehilahy ity no nitaraina ho hafahafa saingy tsy nisy nitsetra raha ny fitantaran’ireo mpiara matory aminy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.