Bakalôrea 2019: Afa-panadinana avokoa izy 26 mirahalahy tao amin’ny SEMIPI Fianarantsoa

  • samedi, 19 octobre 2019 20:29
  • Zakaria
  • Sary nindramina

100% ny voka-panadinana bakalôrea ho an’ny Sekolin’ny Miaramilam-Pirenena na SEMIPI Fianarantsoa, tamin’ireo sokajy efatra nifaninana, dia ny sokajy A1, A2, C sy D tamin’ity taom-pianarana 2018-2019. Miisa 26 mirahalahy ireo kandida avy ao amin’ny SEMIPI Fianarantsoa, ary samy afaka avokoa.

Hitohy hatrany ny fianaran’izy ireo izay miditra amin’ny kilasy fanomanana na “classe préparatoire” amin’ny fifaninana hidirana mpianatra ho manamboninahitra afaka fotoana vitsy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.