Raharaha Ambohitrimanjaka: Nanao fanambarana miaraka ny Antenimierandoholona, CFM, HCDDED ary CNIDH

  • vendredi, 18 octobre 2019 21:23
  • Zakaria

Nivory tao amin’ny CFM Ampefiloha, androany zoma 18 oktobra 2019, ireo filohan’ny andrimpanjakana efatra, dia Rakotovao Rivo (Antenimierandoholona), Maka Alphonse (CFM), Navony Pierre Lenoble (HCDDED) ary Rabenoro Irène (CNIDH). Nanao fanambarana iraisana izy ireo miantso fitoniana amin’ny andaniny sy ny ankilany indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

Miantso ny tomponandraiki-panjakana ihany koa izy ireo hampiato ny fanombohan’ny asa, ary miantso ny vahoaka ihany koa hampiato ny fihetsiketsehana ka hifanantona.

Mahita ihany koa ireto filohan’ny andrimpanjakana ireto fa tsy ampy ny mangarahara sy ny serasera manodidina ny fanatanterahana ny tetikasa eny Ambohitrimanjaka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.