Sefo Fokontany: Hisy fanoloana faobe ...

  • mercredi, 16 octobre 2019 19:36
  • Zakaria

Misy fikasana hanolo sefo Fokontany amin'ny Kaominina maromaro. Efa mahoraka tamin'ity androany ity fa hosoloina ireo Sefo Fokontany eny amin'ny Kaominina Ivato, Distrika Ambohidratrimo. Voakasik'izany ihany koa ny eto Antananarivo renivohitra, toy ny efa nitranga nialoha ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin'ny mey 2019 sy nialoha ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2018.

Araka ny loharanom-baovao, akaiky ny CENI, dia fantatra fa efa nangataka tany amin'ny ministeran'ny Ati-tany ny CENI mba tsy hanoloana ireo sefo Fokontany sy "Chef d'Arrondissement Administratif" amin'izao ankatoky ny fifidianana kaominaly izao, mba tsy hanakorontana ny zotram-pifidianana.

Tsy "Agent électoral" ny sefo Fokontany nefa kosa isany manatitra voka-pifidianana any amin'ny SRMV miaraka amin'ny delege.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.