STK FJKM Antalaha: Fisedrana lehibe

  • mercredi, 16 octobre 2019 18:00
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tra-doza tao Tsarahasina, tanàna anelanelan’i Mampikony sy Port-Bergé amin’ny lalam-pirenena faha-6, androany vao maraina be, ny fiarabe iray mpitatitra olona mampitohy an’Antananarivo amin’ny Faritra SAVA. Anisany mpandeha tao anatin’ity fiarabe ity, ireo STK FJKM Antalaha avy namonjy zaikabe tany Fianarantsoa. Tsy nisy aina nafoy, saingy maro ny naratra tamin’ireo mpandeha, izay efa tsaboina ao amin'ny hôpitaly ao Mampikony.

Fisedrana sa vokatry ny olana mekanika mety miseho ? Tratry ny lozam-pifamoivoizana toy izao ihany koa ny fiara nitondra ireto STK FJKM Antalaha ireto raha hiazo an’i Fianarantsoa hamonjy zaikabe ny herinandro lasa iny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.