Maroantsetra: Sasa-miandry ny tambinkaramany tamin’ny fifidianana ireo « Opérateurs de saisie »

  • mercredi, 16 octobre 2019 10:52
  • Zakaria

Mitaraina ho tsy mbola nandray ny tambinkaramany ireo mpiasa nisahana ny fampidirana ny voka-pifidianana tamin’ny solosaina « Opérateurs de saisie » aty Maroantsetra. Na ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena taona 2018 io, na ny fifidianana solombavam-bahoaka natao tamin’ny 27 mey 2019 farany teo, dia fampanantenana sy ny ampitso lava no valinteny azon’izy ireo avy amin’ny rantsamangaikan’ny CENI aty an-toerana.

« 80 Ariary isaky ny mpifidy no nifanarahana », ireo « Opérateurs de saisie ». «Izahay anefa nahavita 7 500 mpifidy isan’olona teo. Izany hoe : 600 000 Ariary ny karamanay izay mbola tsy nahazoana na dia Ariary », hoy hatrany ny fitarainana ka anairan’izy ireo ny tompon'andraikitra satria ho avy indray ity ny fifidianana Kaominaly amin’ny 27 novambra 2019 izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.