Asa fanaovan-gazety: Nisy nanafika ny mpanao gazety roa avy niasa alina

  • mardi, 15 octobre 2019 20:13
  • Tigre

Tsy mifidy sokajin'olona intsony ity resaka tsy fahandriam-pahalemana ity. Mpanao gazety roa avy namita ny asany, nanara-maso ny fahavitan'ny gazety tany amin'ny trano printy, tamin'ny iray ora maraina ny zoma 11 oktobra lasa teo, no efa nisy roalahy niambina tamin'ny sabatra sy antsy lava.

Vantany vao nijanona ny fiara dia lelan'antsy no teny an-tendan'iray tamin'ireo mpanao gazety, ilay iray efa tafavoaka ny fiara kosa, nisy hafa nipoitra nanambana antsy lava sady nisintona ny kitapo.

Raikitra ny fifanjevoana, voarain'ilay mpanao gazety mbola tao anaty fiara ny antsy, fa lelan'antsy no voarainy, ka dia tatatataka ny tanany, ilay iray kosa nifanjevo tamin'ilay mpanao gazety ilany, ka dia niara-nidaboka tamin'ny tany, ka vaky nandositra ireo mpanafika, fa lasany kosa ny kitapo.

Ny ampitson'iny dia ny mpiasan'ny fokontany no nanatitra ireo antonta-taratasy fanaovana gazety naparitak'ireto jiolahy.

Mafy ny asa fanaovan-gazety, efa tsy matory amin'ny alina, ankoatran'ny tsindry atao amin'izay vaovao alefa sy ny ramatahora hanagadrana amin'ny resaka cybercriminalité, nefa etsy ankilany mbola misedra ny fanafihan'ny asan-jiolahy amin'ny alina, ny karama sy ny fivelomana amin'ny asa fanaovan-gazety anefa zara raha mahavelona vady aman-janaka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.