Ambandrika – Manakara: Kila hotohoton’ny afo ny tanàna

  • lundi, 14 octobre 2019 15:33
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nitrangana haintrano goavana tao Ambandrika, Kaomina ambanivohitra iray ato amin’ny Distrikan’i Manakara. Omaly manodidina ny mitatao vovonana no niandoha ny afo. Niparitaka haingana ny afo, noho ny hafanana sy ny trano izay vitan’ny hazo ny ankamaroany.

Mananika ny 585 tafo ny trano may, ary maherin’ny 3.000 ireo traboina. Tsy nisy aina nafoy. « Mila vonjy ny Kaominina Ambandrika », hoy i Andriano Giscard, solombavambahoaka voafidy eto Manakara, manoloana izao voina mihatra amin'ny mpiray tanindrazana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.