Toamasina: Niisa 23 ireo tsena may tao Bazary Be

  • dimanche, 13 octobre 2019 18:35
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary

Ny ampitson’ny haintrano goavana nitranga tao Bazary Be dia nirohotra nifanampy ny samy mpivarotra nanadio ny tsena, mba hahafan’izy ireo mandray ny mpanjifa sahady rahampitso alatsinainy 14 oktobra 2019.

Niisa 23 ireo toeram-pivarotana may kila hotohoto tamin’ity haintrano nitranga ny harivan’ny sabotsy 12 oktobra 2019 ity. Nanolotra fanitso 120 isa sy hazo niisa 276 ny BNGRC hanampiana ireo mpivarotra hananganan’izy ireo ny tsenany.

Akoson'aratra (court-circuit) tao amin’ny mpivarotra enta-madinika izay vao nahatonga menaka amin’ny jerikana maromaro, no tombanana fa nitarika ny firehetana ka niitatra tamin’ireo toeram-pivarotana nanodidina azy. An-jatony tapitrisa Ariary ny tomban’ny entana levon’ny afo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.