Fianarantsoa: Diabe am-pahanginana

  • samedi, 12 octobre 2019 08:33
  • Zakaria

Niray hina sy niray fo i Fianarantsoa omaly zoma 11 oktobra nandritra ny Diabe am-pahanginana nanomezam-boninahitra sy ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin’ny lozam-pifamoivoizana izay nahafatesana olona telo teo Talatamaty, sy nahafatesan’ny vehivavy iray mpangataka teo Ambalapaiso Ambony, ary ho firaisam-po amin’ny fianakaviana.

Maro no nandray anjara, nahitana olom-boafidy, solontenam-panjakana avy any amin’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, mpiara-monina, mpanao gazety, tanora … niaraka niombom-po tamin’ireo fianakavian’ny maty.

Niainga teny Talatamaty ny diabe ary nihazo an'Ambalapaiso Ambony.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.