Fifidianana kaominaly: Hatonta eny amin’ny Trano Printim-pirenena ny biletà tokana

  • mercredi, 25 septembre 2019 19:20
  • Zakaria

Hanomboka amin’ny herinandro ho avy io ny fanontana ny biletà tokana eny amin’ny Trano Printim-pirenena. 41 andro no fe-potoana tokony hanontana izany araka ny tetiandro efa napetraky ny CENI mba hahazoana manaparitaka ireo fitaovam-pifidianana ara-potoana manerana ireo biraom-pifidianana rehetra.

Miisa 25 388 ireo biraom-pifidianana manerana ny Nosy, tsy nahitana fiovana fa izay efa nisy tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka no hampiasaina amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ny 27 novambra 2019. Haverina havoaka ofisialy ny lisitry ny biraom-pifidianana ny 27 septambra ho avy izao, ary azon’ny rehetra anaovana fanamarihana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.