Fifidianana Ben’ny tanàna: Filatsahan-kofidiana nekena 6 275 no neken’ny CENI

  • mercredi, 25 septembre 2019 19:04
  • Zakaria

6 317 ireo Filatsahan-kofidiana voarain’ny CENI. Ahitana kandida ho Ben’ny tanàna avokoa ireo Kaominina miisa 1 695 manerana an’i Madagasikara. Nolavin’ny CENI ny 42 tamin’ireo filatsahan-kofidiana voaray ; nekena ny 6 275. Misy 45 ireo Kaominina ahitana kandida tokana.

Mety mbola hisy fiovana ireo antotanisa ireo hatramin’ny sabotsy 28 septambra 2019, araka ny fanazavana avy eo anivon’ny CENI, mbola misy mantsy ireo filatsahan-kofidiana nolavina nakarin’ny kandida eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ary iandrasana ny didy avy aminy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.