Tselatra

    • lundi, 27 mars 2023 08:45

    Eoropa : Niova ora

    Niala amin'ny andro ririnina ny any Eoropa, ka narosony ny ora any aminy, izay fanaony ny alahady farany ny volana martsa, hifoha ny alatsinainy. Raha tamin'ny 02ora maraina ny tany Frantsa, dia narosony ho amin'ny 03ora maraina. Lasa ora 1 izany ny elanelan'i Frantsa sy Madagasikara. Raha amin'ny 08ora30 aty Madagasikara dia amin'ny 07ora30 any Frantsa. Efa nisy fikasana ny anafoana io firosoana sy fihemoran'ny ora io tany amindry zareo, fa noho ny fisian'ny valanaretina Covid-19 dia tsy nanafoana hatreto. Ny anton'izy io dia resaka fitsitsiana herinaratra sy angovo hatrany, satria mbola mazava be ny andro na dia alina be aza ny andro, ary rehefa ririnina indray dia maizina be ny andro na dia efa maraina aza. Ny mpiasa rahateo manjary mandeha miasa nefa mbola maizina, na mirava amin'ny asa, na dia mbola mazava.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 26 mars 2023 18:03

    Andro ratsy : Miato ny fivezivezena an-dranomasina Soanierana Ivongo – Sainte Marie

    Miato manomboka ny alatsinainy 27 martsa 2023, mandrapisy fampahafantarana vaovao, ny fitaterana an-dranomasina, mampifandray an’i Soanierana Ivongo amin’i Sainte Marie, noho ny ranomasina manonja be, ateraky ny andro ratsy, araka ny fampilazana avy amin’ny APMF, na ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy. Voakasik’izany ny fiaingana amin’ny seranana Ilôt Madame, Barachois, Loukintsy, Soanierana Ivongo, Mahambo, Mananara Nord, Maroantsetra ary Antanambe.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 26 mars 2023 18:01

    Ady any Ukraine : Ametraka fiadiana nokleary any Biélorussie i Rosia

    Manoloana ny fikasan'ny Angilisy, Royaume-Uni hamatsy fitaom-piadiana nokleary voafehy, obus à uranium appauvri, ahafahana mamotika ny fiara mifono vy, dia nilaza ihany koa ny filoha rosianina, Vladimir Poutine, ny sabotsy 25 martsa 2023, fa dia ampiasa fitaom-piadiana mitovy amin'izany ihany koa, ary hametraka fitaovam-piadiana nokleary voafehy, armes nucléaires "tactiques", ao Biélorussie, firenena manamorina an'i Eoropa, izay miara-dia amin'i Rosia.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 mars 2023 20:37
    • Sary nindramina

    Raharaha lavanila - SAVA : Ho sokafana ny fanomezana "agrément"

    Tonga taty amin’ny faritra SAVA ny mpikambana telo ao anatin’ny Governemanta omaly Alakamisy 23 Marsa 2023 nijery akaiky ny olan’ny lavanila. Nisy ny dinika teo amin’ny Minisitra misahana ny Varotra sy ny Fanjifana Edgard Razafindravahy, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Tokely Justin, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria Serge Gellé, andaniny, ary ny avy amin’ny Vovonana SOS Vanille notarihin’Andriamatoa Jean Pierre Laisoa, ankilany. Hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny mpandraharahan’ny lavanila. Tsy azo atao ny mandrava ny CNV (Filankevitra nasionalin’ny lavanila) satria rafitra ifotony. Nitoviana hevitra kosa anefa ny fisokafana bebe kokoa hanatevenana ny mpikambana, indrindra fa ny tantsaha mpamboly. Hiarahana mandinika ny hampiasana ny volan'ny CNV. Zava-dehibe ao anatin'izany ny fanohanana ny tantsaha mpamokatra.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 mars 2023 14:56

    Fivezivezen’ny Olom-pirenena : Miverina amin'ny laoniny ny fanaovana sy fanavaozana pasipaoro malagasy

    Mampahafantatra ny be sy ny maro ny Polisim-pirenena fa miverina amin'ny laoniny ny fanaovana sy fanavaozana pasipaoro malagasy. Natao ho an'ny olom-pirenena mivezivezy mivoaka sy miditra ny sisin-tany malagasy ny pasipaoro, noho izany dia ireo manana anton-dia mifanaraka amin'izany no tokony hanana azy, hoy ny fanamarihana avy amin’ny Polisim-pirenena. Takiana arak'izany ny taratasy mety manamarina izany anton-dia izany.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 mars 2023 12:15
    • Sary nindramina

    Sambava : Nodoran'ireo mpikirakira lavanila ireo santionany

    Tsy hay andrahoana ho anina, tsy mety asolo pomme de terre na vary ny lavanila, hoy ireo mpikirakira lavanila, vidiny 2 000 000ar teo aloha, na 100 000ar aza izao tsy misy ampividy hoy izy ireo. Nanao hetsika ny ao Sambava, ka niroso amin'ny fandoroana ireo santionany lavanila izay lasa tsy misy vidiny intsony. Tsy mitsahatra ny manatona ny vovonana SOS Vanille ireo mpamboly, mpanangom-bokatra ary mpanondrana lavanila manao sonia fitakiana amin'ny fanjakana ny andravana ny CNV, ny fanalalahana ny fihariana lavanila, ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny lavanila aty an-toerana fa tsy any Antananarivo, fanesorana ny resaka agréement, fa fanajana ny làlana efa misy ary mbola tsy niova. Efa 6500 amin'izao ireo sonia voahangona.Efa re ihany koa fa efa mihomana amin'izany koa ny any Sofia sy ny faritra atsimo atsinanana izay misy fihariana lavanila ihany koa. Analanjorofo sy Sambirano, misy an'i Ambanja, efa mangataka ny ampijoroana ny SOS Vanille. (Jereo sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 22 mars 2023 17:55
    • Sary nindramina

    Train Urbain : Tombanana ho azo ampiasaina amin’ny volana aogostra 2023

    Nidina ifotony, nijery ireo tobim-piantsoanana an-dàlamby miainga avy eo Amoron’ankona, mandeha any Soarano, ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro, Valéry Ramonjavelo, ny talata 21 martsa 2023. Fantatra fa 60% ny asa ankehitriny no vita, ka tombanana ho azo ampiasaina amin’ny volana aogostra 2023 ny fitaterana an-dalamby an-drenivohitra (Train Urbain) eto Antananarivo, mba hahafahana miala amin’ny fitohanana. Mbola betsaka ireo pitsopitsony mila tanterahana hahatrarana izay fe-potoana izay, ary miankina amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny izany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 22 mars 2023 17:00
    • Sary nindramina

    Polyteknika Vontovorona : Miverina mitokona ny mpianatra

    Milaza ho tsy mahatsapa zavatra azo tsapain-tanana amin'ireo fitakiana nataony ireo mpianatry ny Polyteknika Vontovorona, ka niverina nanao fitokonana indray androany alarobia 22 martsa 2023. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 mars 2023 12:50

    SOS Vanille : Mitaky ny anafoanana ny CNV sy anajana ny fanalalahana ny sehatry ny vanille

    Nanao fanambaràna ireo mpitarika ny Vovonana SOS Vanille aty amin'ny faritra SAVA, fa mbola tsy foana ary mbola manan-kery ny lalàna 97-046 ny 04 novambra 1997, ao amin'ny andininy faha 8, fa malalaka ny fihariana lavanila, ka tsy ekena ny famerana ny vidin'ny lavanila, na ny hividianana azy, na ny amarotana azy, fa ny tolotra sy ny tinady eo amin'ny tsena no mamaritra ny vidiny. Takian'ity vovonana SOS Vanille ity ihany koa ny anafoanana ny Conseil National de la Vanille na CNV, sy ny fanafoanana ny resaka agrement, fa famelana ny rehetra hisera sy afaka anondrana lavanila, ho an'izay manara-dalàna. Nametra mazava ity vovonana ahitana ireo mpamboly, mpanagom-bokatra, mpanondrana lavanila, fa aty Antalaha ny renivohitry ny lavanila maneran-tany, ka aty Antalaha ihany no hametrahana ny dinika sy ny fanapahana goavana rehetra momba ity seha-piharina ity.
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 mars 2023 12:44
    • Sary nindramina

    Manombo be – Ilakaka : Omby 23 maty nilatsaham-baratra

    Zava-doza no nitranga tao Manombo be – Ilakaka omaly alatsinainy 20 martsa 2023. Omby 23 be izao no indray maty nilatsaham-baratra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 708