Kitra – Mondial 2022 : Lalao 28 no halefan’ny TVM

  • vendredi, 18 novembre 2022 18:54

Raha ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, nandritra ny fandaharana fanaony isaky ny zoma atoandro ao amin’ny haino amanjerim-panjakana, dia lalao 28 amin’ny 64 no azon’ny fahitalavitra tsy andoavam-bola alefa mandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taranja baolina kitra, andiany faha-22 izay hatao any Qatar ny 20 novambra hatramin’ny 18 desambra 2022.

Efa nandoavan’ny Fanjakana vola, hoy ny minisitra, ny fividianana ny zo handefa ny sary amin’izany.

Ireo fahitalavitra andoavam-bola ihany no mahazo ny tolotra misy lalao 64. Ny tolotra omen’ny Federasionina iraisampirenena misahana ny baolina kitra (FIFA).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.