Jiu-jitsu OPEN AFRICA 2022 : Medaly miisa 18 no azon'i Madagasikara

  • jeudi, 17 novembre 2022 12:32
  • Sary : MJS

Tonga soa an-tanindrazana ny talata 15 novambra 2022, ireo delegasiona nisolotena an'i Madagasikara tamin'ny OPEN AFRICA 2022 taranja Jiu-jitsu Brazilian, izay natao tatsy Nosy Maorisy ny 12 novambra 2022 lasa teo.

Medaly miisa 18 no azon'i Madagasikara nandritra izany, izay mitsinjara toy izao :

- En Kimono (GI BJJ) : 12 medaly
* 8 medaly volamena
* 1 medaly volafotsy
* 3 medaly alimo.
- Sans Kimono (NO-Gi JJB) : 6 medaly
* 5 medaly volamena
* 1 medaly volafotsy

Nitsena azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay nisolo tena ny Minisitra Tinoka Roberto.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.