Baskety - Road To BAL Élite 16 : Nanolotra vatsin-dalana 4 500 dolara ho an’ny COSPN ny Federasiona

  • vendredi, 11 novembre 2022 08:09
  • Sary FMMB

Nitondra ny anjara birikiny, ho fanohanana ny Ekipa COSPN, hiatrehany ny lalao fifaninanana Afrikana " Road To BAL Élite 16", hatao any Afrika Atsimo ny 22 hatramin'ny 27 Novambra 2022 ny Federasiona Malagasy Basketball-FMBB, ny Alakamisy 10 Novambra 2022, tetsy amin'ny Foiben'ny Federasiona etsy 67ha.

Nisolo tena ny FMBB ny Filohan'ny FMBB Ramaroson Jean Michel.

Tetsy ankilany, dia naneho ny fankasitrahana ihany koa ny COSPN, tamin'ny alalan'ny Talen'ny Kabinetran'ny Ministeran'ny filaminana anatiny, Kaomisera Divizionera Randriambelo Ny Aina.

Eo amin'ny lafiny teknika dia vonona hiatrika ny fifaninana any Afrika Atsimo ny COSPN, araka ny nambaran'ny Filohany ny Kaomisera SAMY Harisson.

Hisolo tena ny Federasiona mandritra ny Lalao fifaninana " Road To BAL Élite 16" hatao any Cape Town i Tsimbina Andrianaivo, mpikambana eo anivon'ny Federasiona.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.