Rugby 7 - Tompondaka manerantany : Nibata fandresena ny Maki vehivavy

  • dimanche, 11 septembre 2022 19:25
  • Sary nindramina

Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 19 noho 12 nanoloana an'i Colombie i Madagasikara, nandritra ny lalao faha efatra, sady farany natrehantsika. Fandresena izay mametraka an'i Madagasikara eo amin’ny laharana faha 15, amin'ireo ekipam-pirenena miisa 16 niady ny tompondaka erantany amin’ny taranja rugby, lalaovin'olona fito, sokajy vehivavy, tanterahina atsy Afrika Atsimo.

Efa nitarika 12 noho 0 i Madagasikara tamin’ny ampaham-potoana voalohany. Sahala 12 noho 12 ny isa 6 segaondra nialoha ny niafaran'ny lalao no nahatonga baolina entin-tanana, sady voatsindry ny Maki, ary voatsara ka nitondra tamin’ny fandresena.

Sambany i Madagasikara no tonga tamin’ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompondaka manerantany amin'ity taranja ity, eo amin’ny sokajy zazavavy. Tsy nitsanga-menatra isika. Betsaka ny lesona azo tsoahina hanatsarana ny hoavy.

Raha ny vokatra nandritra ity andiany tatsy Afrika Atsimo ity dia :
Aostralia 48 # 0 Madagasikara
Espaina 12 # 0 Madagasikara
Chine 36 # 5 Madagasikara
Colombie 12 # 19 Madagasikara

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.