TINOKA Roberto : Nandray andraikitra amin’ny fodian'ireo atleta avy any Bezaha nihitsoka teto Antananarivo

  • vendredi, 09 septembre 2022 20:27
  • Sary : MJS

Tonga nijery ireo atleta 6 mianadahy avy ao amin'ny CATO Club Bezaha, tavela teto an-drenivohitra noho ny olana ara-bola ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Tinoka Roberto ny alakamisy 08 septambra 2022, ary nandray ny andraikitra avy hatrany mahakasika ny fodian'ireto atleta, izay tokony hamonjy ny toeram-podiana, raha avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara teto Antananarivo.

Nandray an-tanana ny fakana ireo atleta ireo teny amin’ny Kianja Alarobia ny Ministera nanomboka ny harivan'ny alarobia, ka nafindra toerana tao amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha izy ireo, ary nalefa hody any Bezaha ny tolakandron'ny alakamisy.

Nambaran’ny Minisitra fa mampalahelo ny zavatra toy izao, ary tsy tsara ny hiverimberenany.
"Ray aho, ka tsy izaho mihitsy no tsy hijery azy ireo" hoy ny Minisitra.

Nitafa fohy tamin'ny mpanao gazety moa ny Minisitra TINOKA Roberto, ka nandritra izany no nanazavany fa, manana rafitra mahaleo tena ny Federasiona, ny Ligy, ny Seksiona ary ny Klioba.

Ny fanaovana "Championnat national" dia ny Federasiona tanteraka no miandraikitra izany, ary tsy mitsabaka amin’ny fikarakarana ny Ministera.

Misy ny fandaminana napetraka, ary handraisana fepetra mba tsy hiverenan'ny toe-javatra toy izao intsony.

Nilaza ny Filohan'ny Federasiona fa ny klioba no tompon'andraikitra amin'ny saran-dalana mandroso sy miverina, ary sakafo rehetra, fa ny Federasiona kosa no miandraikitra ny rehetra momba ny Fifaninanana.

Manomboka izao dia hisy ny fanaovana taratasy fifanarahana eo anivon’ny Fitalevam-paritra ny tanora sy ny fanatanjahantena sy ireo klioba izay handray anjara amin'ny fifaninanana rehetra, izay fandaminana hapetraka hiarahan'ny Ministera sy ny Federasiona mba hialana amin'ny toe-javatra toy izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.