Lalao Baskety : Hampiantrano fifaninana nasioanly N1B i Ambovombe Androy

  • dimanche, 31 juillet 2022 17:59
  • Sary nindramina

Nanomboka omaly tamin'ny fomba ofisialy ny lalao rejionaly izay hiadiana ny tompondakan'ny Faritra Androy amin'ny taranja baskety. Izany dia ho fiomanana sahady amin'ny handraisana ny lalao Nasionaly N1B izay Ambovombe Androy no hampiantrano azy.

Zava-dehibe eo amin'ny hoavin'ny tanora eto Androy ny fikolokoloana azy ireo amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, mba hahatonga azy hanana saina mavitrika, vatana tomady, hoy ny Kestora voalohany ny Antenimieram-pirenena sady solombavambahoaka voafidy tao Ambovombe Androy, Jean Michel HENRI raha nanokatra ity fifaninanana ity.

Vao tsy ela akory izay ny tenako, hoy izy, no niaraka tamin'ny Filohampirenena sy ny Ministry ny Fanatanjahantena sy ny Tanora, TINOKA Roberto, nitokana ny kianja manarampenitra ao Andaboly, mba hampiroboroboana ny sehatry ny Baolina Kitra eto an-toerana, androany kosa, tonga eto amin'ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy Fanatanjahantena ny tenako amin'ity fifaninanana baskety ity.

Tamin’io fotoana io ihany koa no nanolorany ireo fitaovana mba hanatsarana ny kalitaon'ny lalao izay avy amin'ny Minisitra TINOKA Roberto sy ny tenany.

Nisaotra manokana ny Talem-paritry ny Tanora sy Fanatanjahantena Androy, izay manao ny ainy tsy ho zavatra, amin'ny hampiroboroboana ny sehatry ny Tanora sy Fanatanjahantena ny Kestora Jean Michel HENRI.

Nitodika tamin'ireo tanora mifaninana ihany koa ity farany ka nilaza fa, lalao no atao, ka enga anie mba ho ampirahalahiana tanteraka no hanaovana izany, mandra-pahatapitrin'ny lalao, izay mandresy tsy hobiana, izay resy tsy akoraina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.