Fifanitsanana CAN Beach Soccer : Resin'i Madagasikara i Seychelles

  • dimanche, 24 juillet 2022 15:53
  • Sary nindramina

Nandresy tamin'ny isa 5 noho 2 ny ekipam-pirenena Barea, nandritra ny lalao voalohany teo amin'ny fifanitsanana ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika taranja Beach Soccer, izay nifanandrinan'i Madagasikara tamin'i Seychelles.

Lalao notanterahina ny 23 Jolay 2022, tao amin'ny kianjan'ny Roche Caïman Sports - Seychelles.

Hotanterahina any Mahajanga kosa ny lalao miverina ny 07 Aogositra 2022 ho avy izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.