Kitra - BAREA U23 : Nibata fandresena voalohany nanoloana ny Club M maorisiana

  • dimanche, 12 juin 2022 15:30
  • Sary nindramina

Notontosaina tetsy amin'ny kianjan'ny Elgeco Plus Stadium By-Pass, ny Alakamisy 09 Jona 2022, ny lalao ara-pirahalahiana, izay nifanandrinan'ny Barea U23 sy ny Club M ekipam-pirenenan'i Maorisy.

Nandresy tamin'ny isa 02 no 01 ny Barea an'i Madagasikara nandritra ny lalao voalohany ho fanomanana ny fifanitsanana CAN 2023, sokajy U23, sy ny Lalao Olimpika 2024.

Notantehina ny sabotsy 11 jiona tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny lalao faharoa nifandonan'ny ekipa roa tonta.
Nisaraka tamin'ny ady sahala 1 no 1 ny roa tonta.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.