Nicolas Dupuis : Naverina ho mpanazatran'ny Barea
- vendredi, 29 avril 2022 16:37
- Sary nindramina
Mpanazatra nitondra ny Barea Madagasikara tany amin’ny CAN 2019 tany Ejipta i Nicolas Dupuis.
Nakisaky ny Federasiona malagasy ny baolina kitra teo amin'io toerana io izy ny aprily 2021, ka i Éric Rabesandratana no notendrena nandimby toerana azy.
Tsy tafita niatrika ny CAN 2021 tany Cameroun ny Barea.
Naverina amin’ny toeran'ny mpanazatra i Nicolas Dupuis.
Hiatrika lalao voalohany amin’ny fifanintsanam-bondrona ny Barea afaka iray volana, handrato lalao any Ghana iray vondrona E amintsika.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.