CAN 2021 : Namono tena ilay mpitam-bolan'ny fikambanan'ny mpamboly Cacao tany Ghana

  • dimanche, 16 janvier 2022 17:33
  • Sary nindramina

Lehilahy mpitam-bola efa misotro ronono, Gyasehene Dawuriso, 76 taona, no nampiasa ny volan'ny fikambanan'ny mpamboly Cacao tany Asante Akyem, avaratry Ghana, nentiny niloka tamin'ny lalao CAN any Cameroun, ka nahavery vola azy 11 124 797 Franc CFA (77 000 000ar).

Tsy nanana vahaolana anefa ny lehilahy, ka dia nisafidy ny lalan'ny famonoana tena, ka nirahiny ny zanany lahy hamana rano, dia nararaotiny nandritra ny tsy naha teo ny zanany no nanantonany ny tendany tao amin'ny efitra nipetrahan'izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.