Tennis Open d'Australie 2022 : Voaroaka i Novak Djokovic fa tsy manaiky anao Vaksiny
- dimanche, 16 janvier 2022 14:03
- Sary nindramina
Firenena maro ankehitriny no mametraka ny tsy maintsy anaovana Vaksiny iarovana amin'ny Covid-19, vao afaka mandray anjara na miatrika ireny famoriam-bahoaka, toa ny fanatanjahan-tena, cinéma, restaurant, hetsika koltoraly.
Tonga hiatrika ny fifaninana iraisam-pirenena amin'ny Tennis any Australie ny tompon-daka manerantany Novak Djokovic.
Ny 05 janoary 2022 i Novak Djokovic, mizaka ny zom-pirenena Serbe, no tonga tany Australie, avy hatrany dia notazonina any amin'ny faritra fametrahana ireo mpivahiny tsy ara-dalàna izy, satria tsy vita Vaksiny, izy rahateo nanambara fa tsy hanao Vakisiny iarovana amin'ny Covid-19.
Nametraka fitoriana teo anivon'ny fitsarana Ostralianina izy, ka nahazo Visa ary afaka niditra ny Australie, ary nanomboka nanao fanazaran-tena.
Tsy nitovy hevitra tamin'izany anefa ny Governemanta Ostralianina, satria aminy dia mamporisika ny Ostralianina tsy hanao Vaksiny ny famelana an'i Novak Djokovic, izay fanta-daza, nefa milaza fa tsy hanao Vaksiny, ka nametraka ny fahefany ny ministeran'ny ati-tany, ka dia namerina azy amin'ny faritra fitazonana ireo vahiny tsy ara-dalàna.
Nametraka fitoriana indray ity tompon-daka manerantany amin'ny Tennis ity, nefa nolavin'ny fitsarana izay fangatahany fepetra manokana izay, ka dia ho voaroaka any Australie i Novak Djokovic.
Naneho ny alahelony moa ity Serbe ity, izay namafisin'ny filohan'i Serbie, fa manaiky kosa ny fanampahan-kevitra.
Ho sahirana ihany ity mpilalao ity amin'ny tohin'ny maha matihanina amin'ny Tennis azy, satria ireo firenen-dehibe dia saika mitaky ny fahavitana Vaksiny avokoa vao afaka mandray anjara amin'ny fifaninana avo lenta toy izao, anisan'izany Etats-Unis.
Izy rahateo efa mihalehibe 34 taona, izay nikendry ny andrombaka ny faha 21 tompon-daka amin'ny Grand Chelem.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.