Rugby - FTMM Morarano : Notoloran’ny Kestora Jean Michel fanamiana sy fitaovana

  • mercredi, 24 novembre 2021 19:50
  • Sary nindramina

Miatrika fifaninanana iadiana ny tompondakan’ny fileovana Andrefan’Iarivo taranja rugby ny klioba FTMM Morarano – Antananarivo V.

Tafakatra amin’ny dingana manasa-dalana ny FTMM Morarano ka hihaona amin’ny klioba avy eny Ambohimanarina amin’ny alahady ho avy izao.

Nanolotra survêtements sy fanampiana ho azy ireo ny solombavambahoaka voafidy tao Ambovombe Androy, sady Kestora voalohany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena Jean Michel Henri.

Nisaotra an’ity farany i Fafah Xavier, mpitarika ny FTMM Morarano, no mbola manantena fanohanana avy amin’ny malalatanana ho an’ireto tanora ireto.

(Jereo sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.