Kianja Barea : Tsy voaloa vola ilay orinasa sinoa nanamboatra azy

  • lundi, 22 novembre 2021 07:23
  • Sary nindramina

Miparitaka eny amin’ny tambazotran-tserasera Meta, na facebook teo aloha, ny fampahafantarana an-tsoratra nataon’ny orinasa sinoa China Construction Overseas Development Madagascar SARL (CSCOD), fa misy ampaham-bola mitentina 17.321.614,90 dolara tsy mbola voarainy avy amin’ny mpanakarama azy nanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina, ka tsy ahafahany manefa ny volan’ireo mpamatsy entana azy, na teo aza ny taratasy in-droa miantoana fampahatsiahivana nataon’ity orinasa ity.

Vokany, tapaka ny fandefasana ireo jiro manazava ny kianja, toy izany koa ny fitsirihana (surveillance) ary ny komandy mandefa ny « écran géant ».

Famatsiam-bola madiodion’ny fanjakana maherin’ny 77 tapitisa dolara no nenti-nanana ny fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina.

Etsy ankilany ny mpitondra fanjakana dia mamerimberina hatrany manoloana ny fitakiana miseholany etsy sy eroa fa manambola ny fanjakana, ka raha tsy « fake » ity taratasy ity dia mampametra-panontaniana ihany nahoana no tonga amin’izao tsikafona izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.