Baskety : Natolotry ny AJRT ANDROY ny depiote Jean Michel ny amboara

  • mardi, 12 octobre 2021 16:28
  • Sary nomena

Nibata amboara ny Tanora avy ao Amin'ny Club Basket AJRT Androy taorian'ny fifaninana Nasionaly nataon'izy ireo teto Antananarivo.

Natolotr'izy ireo ny ray aman-dreny mpiahy ny Faritra Androy, androany talata 12 oktobra tetsy Tsimbazaza, ny depiote Henri Jean Michel ny amboara, ho fankasitrahana sy fanomezam-boninahitra ny faritra nisoloan'izy ireo tena.

Nilaza ity Solombavambahoaka voafidy tany Ambovombe ity, sady Kestora voalohany eo anivon'ny Antenimieram-pirenena :

"Mahafaly ahy ny nandray anareo Tanora avy ao Amin'ny Club Basket AJRT Androy, taorian'ny fifaninana Nasionaly izay nataonareo teto Antananarivo.

Tsapa sy hita ny ezaka izay nataonareo, izay nampiakatra avo dia avo ny Voninahitry ny Faritra Androy tamin'ny alalan'ireo lalao maro izay natrehinareo, ka tao anatin'izany no nahazoanareo ny Amboara ho an'ny Lalao Mendrika, fandresena lehibe izany fahaizanareo miara-monina sy milalao ampahamendrehana izany

Atolotrareo ahy androany ilay Amboara, amin'ny maha Ray aman-dReny mpiahy anareo ahy, koa fisaorana mitafotafo koa no atolotro anareo, ary mitso-drano anareo mba hahavita hanohy hatramin'ny farany ny fiarovana ny Voninahitr'i Androy amin'ny alalan'ny Basket-Ball".

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.