Bodybuilding : Tonga niaraka tamin’ny medaly ireo atleta solontenan'i Madagasikara

  • lundi, 11 octobre 2021 21:04
  • Sary nindramina

Nigadona an-tanindrazana androany 11 Oktobra 2021 ireo atleta nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana izay ho tompondaka erantany taranja Bodybuilding, natao tany Uzbekistan ny 3 hatramin'ny 6 oktobra 2021.

Nisy ny fitsenana manokana azy ireny teo am-pahatongavana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Tonga nanome voninahitra sy nitsena azy ireo teny ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa, izay nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Mamod'Ali HAWEL.

Teo koa ny filohan’ny Komity Olimpika Malagasy sady filohan’ny UAJ Judo aty Afrika, Siteny Randrianasoloniaiko.

Toy izao ny vokatra azon'ireo solontena Malagasy tamin'io fifaninana iraisam-pirenena io :

- Nahazo medaly volafotsy i Randrianarimanana John Mario (Bigman de Madagascar) sy Marinjara Maurice.
- Nahazo medaly alimo roa i Randriatahina Nivo Zo tao amin'ny sokajy vehivavy « athlétique physique ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.