Barea an’i Madagasikara: Notolorana ny anjara mari-boninahitra toy ireo namany i Anicet, Njiva ary Metanire

  • samedi, 16 novembre 2019 14:13
  • Sary: Odon Marius Randrianiaina

Natolotra an’i Abel Anicet, Njiva ary Metanire tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny zoma 15 novambra ny mari-boninahi-pirenena «Chevalier de l’Ordre National Malagasy» ho fankasitrahana ny zava-bitan’izy ireo, isan’ny nandrafitra ny ekipam-pirenena niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra taona 2019 natao tany Egypta. Ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no nanolotra azy ireo izany.

Tsy tafaraka tamin’ireo namany sy ny mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara, izay efa nandray ny mari-bonahitra tamin’ny 15 jolay 2019 izy telo lahy ireo, satria voatery namonjy ny klioba ilalaovany avy any ampitan-dranomasina vantany vao nifarana ny dian’ny Barea tany Egypta.

Nitso-drano ny ekipam-pirenena ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny lalao hatrehin’ny Barea etsy Mahamasina ny sabotsy 16 novambra, hifandona amin’i Ethiopia.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.