"Sport Scolaire" Nasionaly: Atleta 64 no hiaro ny voninahitr’i Matsiatra Ambony

  • dimanche, 13 octobre 2019 16:32
  • Sary nindramina

Hotanterahina eto Toamasina ny 14 ka hatramin’ny 20 oktobra 2019 ny fifaninanana nasionalin'ny fanatanjahantena an-tsekoly "Sport scolaire national" ho an'ity taona ity. 2 000 mahery ireo mpandray anjara, izay avy amin’ny sekoly miisa 130 manerana ny Faritra 22 amin’izany. Miisa 85 ny solotenan'ny Faritra Matsiatra Ambony ka mpifaninana ny 64 amin'ireo.

Nanolotra ny Fanevan'i Mahatsiatra Ambony ny mpitarika ity Delegasiona ity ny Governora ary nitso-drano am-bavaka azy ireo hitondra ny amboara.

Ireto avy ireo taranja ifaninanana amin’ity fifaninanana nasionalin'ny fanatanjahantena an-tsekoly taona 2019 ity : Atletisma, Baolina kitra, « Basket-ball », « Hand-ball » sy « Volley-ball » ary « Cross country ».

Tanjona ny fampiroboroboana ny fanatanjahan-tena an-tsekoly sy fanomezan-danja ny kolontsaina isam-paritra. Eo ihany koa ny hitiliana sy ny hitarafana sahady ireo mpilalao mendrika sy tokony hotrandrahana ho lasa mpilalao nasionaly.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.