Kitra - CHAN 2020: Hiatrika lalao ara-piralahina roa ny Barea

  • jeudi, 03 octobre 2019 17:19
  • Sary nindramina

Anatin’ny fampivondronana eny amin'ny CTN Carion ireo mpilalao mandrafitra ny Barea CHAN. Hisy lalao ara-piralahina roa hitsapana ny mpilalao sy hanamafisana ny fahaiza-miaraka mialoha ny ho fiatrehana ny lalao miverina izay hifanandrinan’i Madagasikara amin'i Namibia ny 19 oktobra 2019.

Hatao eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ireo lalao ara-piralahina, hifandonan’ny Barea CHAN amin’ny Zanakala ny alahady 06 oktobra, avy eo ny ekipa voafantina Analamanga ny sabotsy 12 oktobra 2019.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.