Kitra CHAN: Madagasikara 1 - 0 Namibia

  • dimanche, 22 septembre 2019 17:17
  • Sary nindramina

Nivoaka mpandresy tamin’ny isa tokana 1 noho 0 ny Barea an’i Madagasikara nanoloana  Brave Warriors Namibiana tamin’ny lalao mandroso notanterahina tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina androany alahady 22 septambra 2019, hiadiana ny tapakila ho an’ny Cameroun amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ifaninanan’ireo ekipam-pirenena rafetin’ireo mpilalao milalao ao an-taniny na CHAN 2020.

Tany amin’ny segaondra farany amin’ny fe-potoana fanampiny (93’) no nahatafiditra ny baolina tokana nitarika tamin’ny fandresena ny Barea, rehefa votsotra teny ampelan-tanan’ny mpiandry harato namibianina ny daka mandrivorivo nataon’i Arnaud laharana faha-2  ka notsenain’i Andrianirina Solofoniaina na i Besna, laharana faha-14, gaonan’Ambatomainty Amparafaravola mpilalaon'ny Fosa Junior. Tsy nisy azon’ny mpiandry harato namibianina natao afa-tsy ny nijery ny fiditry ny baolina tao anaty haratony.

Afaka tapabolana ny lalao miverina any Namibia.

 
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.