Sport

    • mardi, 24 janvier 2023 09:35
    • Sary nindramina

    Kitra- CHAN 2022 : Mitohy ny dian'i Madagasikara

    Tafita amin'ny lalao ampahefa-dalana ny Barea an'i Madagasikara rehefa nandresy an'i Soudan tamin'ny isa 3 noho 0, lalao natao tany Constantine, Alzeria. Mitazona ny laharana voalohany ao amin'ny vondrona C ny Malagasy, taorian'ny fandresena roa azony tamin'ireo lalao roa nataony. Nandresy 2 noho 1 an'i Ghana dia io fandresena 3 noho 0 nanoloana an'i Soudan halina io. Nanamarika ny tantara ny Barea, satria raha sambany nandray anjara dia tafita amin'ny dingan'ny ampahefa-dalana, izay hihaonana amin'i Mozambika ny sabotsy 28 janoary ho avy izao ao Constantine. Niarahaba ny Barea noho izao dingana lehibe vitany izao ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, toy izany koa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Tinoka Roberto, ary ny Malagasy maro mpitia fanatanjahantena. (Jereo sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 janvier 2023 08:49

    Kitra - CHAN 2022 : Madagasikara 2 - 1 Ghana

    Kitra - CHAN 2022 : Madagasikara 2 - 1 Ghana  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 13 janvier 2023 19:34
    • Sary nindramina

    Kitra - CHAN 2022 : Hanomboka anio any Alzeria

    Raikitra manomboka androany 13 janoary any Alzeria ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika amin’ny baolina kitra, ifaninanan'ireo ekipam-pirenena rafetin'ny mpilalao milalao ao an-taniny na CHAN. Andiany faha-7 izy ity, ary isany mifaninana amin'izany i Madagasikara, izay iray vondrona amin'i Ghana, Soudan ary Maroc. Ity farany izay tompon'ny anaram-boninahitra farany. Amin’ny 15 janoary 2023 ny lalao voalohan'ny Barea, hifandohany amin'i Ghana. Nanoman-tena, ka nahavita lalao roa tany Tonizia ny Barea hiatrehana ity CHAN ity. Fandresena iray sy ady sahala iray ny vokatra tamin’izany. Vonona ny Barea, sambany rahateo isika no tonga amin'izao dingana izao. Miombom-po, ary miandrandra vokatra ny Malagasy.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 30 décembre 2022 12:59
    • Sary nindramina

    Kitra : Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany i Pelé

    Edson Arantes do Nascimento, no tena anarany, fa Pelé no anarambositra tena nampalaza azy teo amin’ny tontolon'ny baolina kitra. Nolazoin'ny aretina homamiadana fotoana lavalava izy, ary izao nindaosin'ny fahafatesana teo amin’ny faha-82 taonany tao São Paulo. Teo anelanelan'ny taona 1950 sy 1977 no tena nilalaovany, ka nandritra izany no nandrombahany anaram-boninahitra manerantany telo, niaraka tamin’ny ekipam-pirenen'i Brezila, dia ny taona 1958, 1962 ary 1970. Mpanafika sady mpandrindra baolina ny toerany teny an-kianja. Pelé no hany mpilalao kitra nahazo amboara erantany telo. Nantsoina hoe "Le Roi Pelé" mihitsy izy noho izany. Nanokana andro telo ho fisaonam-pirenena i Brezila. Ny alatsinainy 2 janoary 2023 no handevenana an'i Pelé. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 18 décembre 2022 17:52
    • Sary nindramina

    Famaranana MONDIAL 2022 : Nanolotra "écran géant" ho an'ny vahoakan'i Talatamaty ny Goverinoran'Analamanga

    Nanolotra "écran géant" ho an'ny vahoakan'i Talatamaty ny Goverinoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka, ho fanomezana fahafaham-po ireo tsy manana fahitalavitra, sy ireo te hijery miaraka ny famaranana ny Mondial 2022, amin’ny baolina kitra izay ihaonan'i Argentine sy Frantsa. Izao no tanteraka dia fiaraha-miasa eo amin'ny Ben'ny Tanàna sy ny Kaompanian'ny Zandarimaria eny an-toerana. "Samia manohana ny ekipany am-pilaminana, ary mazahoa fahafinaretana daholo ary e", hoy i Hery Rasoamaromaka. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 18 décembre 2022 17:08
    • Sary nindramina

    Kitra : Hiatrika ny famaranana i Argentine sy Frantsa

    Afaka fotoana fohy, amin'ny 6ora hariva, anio alahady 18 desambra 2022, no hifandona i Argentine sy Frantsa amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taranja baolina kitra, andiany faha-22 izay hatao any Qatar ny 20 novambra hatramin’ny 18 desambra 2022. I Argentine nanitsana an'i Croatie, raha i Frantsa namontsana an'i Maroc. Atao eo amin'ny kianja lehibe Lusail Stadium, mahazaka mpijery hatrany amin'ny 88 000 ka hatramin'ny 89 000, ny lalao famaranana taorian'ny hetsika famaranana, nahitana ireo mpanan-kanto sy afon-dasy samihafa. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 18 décembre 2022 16:59

    Jirama vonona ny hiatrika ny mondial

    Jirama vonona ny hiatrika ny mondial
    Lire la suite ...
    • dimanche, 18 décembre 2022 16:56
    • Sary nindramina

    Kianja 974 Qatar : Nanomboka ny fandravana azy, afindra any Uruguay

    Isan'ny kianja nandray ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taranja baolina kitra, andiany faha-22 izay hatao any Qatar ny 20 novambra hatramin’ny 18 desambra 2022, nahorina amin'ny alalan'ny kontenera miisa 974, izay azo ravana. Nandray lalao 7 izy, ary ny lalao ampahavalon-dalana nihaonan'i Brezila sy Korea Atsimo no natao farany tao (4-1) ny 05 desambra 2022. Fantatra fa averina atsangana any Uruguay ity kianja ity, izay te handray ny lalao maneran-tany ny baolina kitra amin'ny 2030, miaraka amin'i Argentine, Chili, Paraguay, 100 taona lasa nandraisan'i Amerika atsimo izany lalao maneran-tany izany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 16 décembre 2022 19:44
    • Sary MJS

    Lalaon'ny Nosy 2023 : Mahajanga no hampiantrano ny taranja lomano

    Nanatanteraka fitsidihana ireo fotodrafitr'asa ara-panatanjahantena eo an-dalam-pamitana, toy ny dobo filomanosana olaimpika, sy ny kianja mitafo mahazaka mpijery 4000, aty amin'ny renivohim-paritry ny Boeny, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, TINOKA Roberto, ny Alakamisy 15 desambra 2022. Niara-dia taminy ireo mpikambana ao amin'ny Filankevitra iraisam-pirenena momba ny Lalaon’ny Nosy, eto amin'ny ranomasimbe Indianina, na ny CIJ. Isan'ireo fotodrafitr'asa handraisana ny lalaon'ny Nosy 2023 ireto notsidihana ireto. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 14 décembre 2022 20:14
    • Sary MJS

    TINOKA Roberto : Nanamafy ny fahavononan'i Madagasikara handray ny Lalaon’ny Nosy 2023

    Tanterahana eto Madagasikara ny 14 hatramin'ny 16 desambra 2022 izao ny fivorian'ireo mpikambana ao amin'ny Filankevitra iraisam-pirenena momba ny Lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasim-be Indiana (CIJ), izay fivoriana mahakasika ny fanomanana ny Lalaon’ny Nosy, tanterahana eto Madagasikara ny taona 2023. ️Firenena 7 mandrafitra ny CIJ no mandray anjara amin’izany, dia i Maurice, Maldives, Mayotte, Comores, La Réunion, Seychelles ary Madagasikara. Manatrika izany ihany koa ny ORAD Océan Indien.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 93