Distrikan’i Maroantsetra : Mitohy ny fanarenana ny fotodafitr’asa hampandrosoana ny tanàna

  • jeudi, 16 mars 2023 18:35
  • Sary nindramina

Nisy ny asa tagnamaro natao tao amin’ny Kaominina Ambinanintelo Distrikan’i Maroantsetra, natao ny Alakamisy 16 Mars 2023, izay naompana tamin’ny fanamboaran-dalana miainga avy eo Ambinagny-Andranasana hatrao Ambinanitelo.

Izao no tanteraka dia noho ny fifanomezan-tanana teo amin’ny Fokonolona, ireo Zanaka ampielezan’Ambinanintelo, ireo Mpandraharaha, ireo mpitondra ao an-toerana, ary ny tosika sy tolo-tanana nataon’ny Filoha Lefitry ny Antenimierandoholona, Besoa Erick.

Talohan’izao dia nisy ihany koa ny asa tagnamaro nanadiovana Kanaly eo amin’ny 10km tao amin’ny Fokontany Ankiakandrefana, Kaominina ambonivohitra Maroantsetra natao ny Talata 14 martsa 2023.

Distrika tena ahitana rotsak’orana betsaka isan-taona ny Distrikan’i Maroantsetra, matetika difotry ny rano ihany koa ny tanàna noho ny fahatsetseman’ny kanaly ka nanaovana ity hetsika ity.

Tonga maro namaly ny antso nataon’ny Ben’ny Tanàna, ny lehiben’ny Distrika, Solombavambahoaka ary ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny faritany tapany Avaratra Atoa Besoa Erick, hanadio ireo kanaly izay tena manahirana ny vahoaka ny herivelona rehetra, ireo Mpandraharaha, ny ONG, Fikambanana, lehiben’ny sampandraharaha isan-tsokajiny.

“Raha mifanohana isika ho mora ny fampandrosoana ny tananantsika”, hoy Atoa Besoa Erick.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.