Rtoa Soafilira, Minisitry ny mponina : Handray sy hanendry olona varira ho mpiasam-panjakana

  • mercredi, 16 novembre 2022 18:17
  • Sary nindramina

Noraisin’ny Minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, tetsy amin'ny birao fiasany etsy Ambohijatovo ny solotenan'ny mpikambana avy amin'ireo varira eto Madagasikara.

Fotoana nahafahan'izy ireo namosaka mivantana tamin-dramatoa minisitra ny olana sy ny hetahetan'izy ireo amin'ny maha tompon'andraikitra voalohany amin'ny Fiahiana ny Mponina azy.

Tsia, tsy ekeko ny fanenjehana sy fanilikilihana ireo olona varira, hoy ny Minisitra. Vahaolana avy hatrany no noraisiny, dia ny handraisana ho mpiasam-panjakana ary hanendrena olona varira ho tompon’andraikitra ao amin’ny Ministera ho an’izay manana fahaiza-manao, traikefa ary toetra amam-pihetsika mifanaraka amin’izay takiana amin’izany.

Samy naneho ny fahafaham-pony tamin'izao fihaonana izao ny andaniny sy ny ankilany, ary nisy ihany koa ny famaritana ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.