Jean Michel Henri : Nanolotra fanampiana ho an'ireo Vahoaka sahirana ao Ekonka

  • dimanche, 13 novembre 2022 19:10
  • Sary nomena

Nitondra fanampiana ho an’ireo Vahoaka sahirana aty amin'ny Fokontany Ekonka, Kaominina Ambonivohitra Ambovombe Androy, ny solombavambahoaka voafidy tao Ambovombe Androy, sady Kestora voalohany ny Antenimieram-pirenena, Jean Michel Henri.

Vary 100 gony natao ho an'ireo izay tena sahirana no nozaraina, nisy ihany koa ny fanomezana rano fisotro, amin'ny alalan'ny kamiao Citerne, natolony ho an'ireo vahoaka sahirana ireo.

Nambaran'ny depiote Jean Michel Henri fa fiaraha-miasa iarahany amin'ny Vahoaka Koreana, amin'ny alalan'ny fikambanana mpanao asa soa KFHI, izao fanampiana izao.

Santatra ambavarano izao, hoy izy, fa maro Ireo fiaraha-miasa izay hiarahan'ny roa tonta, ho fanampiana sy ho fampandrosoana ny faritra atsimo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.