Green N'KOol : Nandrombaka ny laharana faha-2 tamin’ny fifaninanana COP 27

  • vendredi, 11 novembre 2022 17:36
  • Sary MEDD

Ny fikambanana Green N’Kool, izay tarihan’i Marie Christina Kolo sy Rajonaina Kevin Andriamasinavalona, avy eto Madagasikara, no nahazo ny laharana faha 2 tamin’ny fifaninanana « Prix des solutions et initiatives innovantes des jeunes francophones à la COP 27 », izay nokarakarain’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) tamin’ity COP 27 ity.

Tetikasa « Alt soap », fanodinana menaka sakafo, izay efa tsy ampiasaina intsony ho lasa savony fampiasa ao an-tokatrano no naroson’izy ireo tamin’izany, ka nahazoan’izy ireo izao fandresena izao.

Nandritra ny fanamarihana ny Youth Day tao anatin’ny COP27 ny alakamisy 10 novambra 2022 no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-pankasitranana azon’izy ireo, izay mitentina 2000 Euro, tao amin’ny Pavillon de la Francophonie.

Nanotrona ity lanonana ofisialy ity ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy VINA Marie-Orléa, ny Senatera Ndremanjary Jean André, ireo tompon’Andraikitra maro avy eo anivon’ny OIF, ary ireo delegasiona malagasy eo anivon’ny COP 27.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.