Toamasina : Miomana amin'ny tsenabe ara-toekarem-paritra "ROA NO IRAY"

  • mercredi, 21 septembre 2022 19:25
  • Sary nindramina

Hotanterahina aty Toamasina ny 1, 2 ary 3 desambra 2022 ny tsenabe ara-toekarem-paritra "ROA NO IRAY", hampiarahana amin'ny fotoana miaraka ny "Foire Économique commerciale 2022", sy ny "Foire TOAM'KETRIKA" andiany faha-2.

Fanamby tokoa ny fampitambarana an'ireto hetsika roa ireto hoy ny Goverinoran'ny Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore, satria ny "Foire Économique commerciale" dia natao hifampahafantaran'ireo indostria lehibe sy salantsalany ; ny "Foire TOAM'KETRIKA" kosa dia natao ho an'ireo tanora sy vehivavy ary mpandraharaha madinika, izay vao miditra amin'ny tontolon'ny fihariana sy fandraharahana.

Zava-dehibe ny fampiarahana azy roa ireo, hoy hatrany ny Governora, ary tanjona ny handraisan'ireo mpandraharaha Malagasy manerana ny Nosy anjara.

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tao amin'ny Antenimieran'ny Indostria sy ny varotra tao Antananarivo ireo mpitarika ny komity mpikarakara, dia ny Goverinoran'ny Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore, ny Ben'ny tanànan'i Toamasina RAKOTONIRINA Nantenaina misolo tena an'i Toamasina, Ramatoa RATSIRAHONANA Herilalaina izay misolo tena ny La Fabrique, hampahombiazana ny serasera sy fampahafantarana indridra ity hetsika goavana ity.

Mametraka fanamby ny Faritra Atsinanana tarihin'ny Goverinora RAFIDISON Richard Théodore, ny hampitombo lanja sy endrika ireo Tsenabe roa ireo, izay anisan'ny fotoan-dehiben'ny fandraharahana nahitam-paombiazana tany ifotony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.