Fanavaozana ny fanabezana : Miara-mientana ny iraisam-pirenena

  • mardi, 20 septembre 2022 19:41
  • Sary nindramina

Mifanindran-dalana amin’ny fivoriam-be faha-77n’ny Firenena Mikambana ity fihaonana an-tampony ho fanavaozana ny fanabezana atao ao New York ity .

Tanjona ny hanetsika ny hambom-po hananana fahavitrihana ara-politika, hirosoana amin’ny famahana olana ao anatin’ny fiaraha-mientana iraisam-pirenena ho fampiroboroboana ny fanabeazana.

Ireo tompon’andraiki-panabezana avy amin’ny firenen-tsamihafa maneran-tany, mivondrona ao amin’ny Firenena Mikambana no mandray anjara amin’ity fihaonana an-tampony ity.

Ho an’i Madagasikara dia ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny Pr Assoumacou Elia Béatrice, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Dr Sahondrarimalala Marie Michelle ary ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella.

Lalan-kevitra 5 samihafa, iankinan’ny fahafahana mampiroborobo ny fanabeazana eran-tany no niaraha-nanoritra nandritra ny fihaonana.

Ho an’ny eto amintsika manokana, dia efa nisy ny fandrafetana ny vokatry ny fakan-kevitra natao, nandritra ny Fihaonam-ben’ny fanabeazana natao teny amin’ny CCI Ivato ny fiandohan’ny volana Aogositra 2022, nahafahana mametraka ny vina fampandrosoana ny fanabeazana Malagasy eo amin’ny sehatra avo sy iraisam-pirenena toy izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.