Bakalorea 2022 : 69 taona "série C", 13 taona "série A2" no zokiny sy zandriny indrindra amin'ireo mpiadina Faritanin’i Toamasina

  • samedi, 16 juillet 2022 17:15

Hanomboka amin’ny alatsinainy 18 jolay ho avy izao ny fanadinana Bakalorea 2022 manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara.

Raha ho an’ny Faritanin’i Toamasina manokana, izay ahitana Faritra telo (Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Analanjorofo) dia miisa 30 188 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana, izay mitsinjara ho 28 395 ho an’ny fampianarana ankapobeny, ary 1 793 ny mpiadina amin’ny sampam-pianarana teknika sy fanofanana arak'asa.

Miisa 2 031 kosa ny "Candidats libres".

Niampy 767 ny isan'ny mpiadina, na 2,6%, raha ampitahaina tamin'ny taona 2021, ary sokajiana manana kandida betsaka indrindra, aorian'ny Faritany Antananarivo ny Faritanin’i Toamasina.

Raha ny salan-taona no jerena dia 69 taona no zokiny indrindra ato amin'ny ny centre Toamasina, "Série C", ary zazavavy 13 taona kosa ny zandriny indrindra any Foulpointe, "Série A2".

Hezahina havoaka farafahatarany ny 18 aogositra 2022 izao ny valim-panadina, araka ny nambaran’ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Oniversiten’i Toamasina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.