Fifandraisan-davitra : 38,25% ny tokantrano eto an-drenivohitra no mampiasa finday
- mardi, 15 mars 2022 17:18
Manodidina ny 38,25% ny tokantrano malagasy eto an-drenivohitra no mampiasa ny fifandraisan-davitra amin’ny alalan’ny finday, ary 17% kosa eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Anisany nivoitra io androany Talata 15 martsa nankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny mpanjifa, natao tao amin'ny Antenimieran'ny varotra sy ny indostria etsy Antaninarenina.
Araka ny antontan'isa avy amin’ny ARTEC (Rafitra mahefa amin’ny fanaraha-maso momba ny fampanaraham-penitra) dia manodidina ny 20 000Ar, isan-tokantrano, isam-bolana, no lany amin’ny fifandraisan-davitra manaraka ny teknolojia vaovao.
Rariny raha toa ka hijerena vahaolana maharitra ny fiarovana ny mpanjifa eo amin’io sehatry ny tontolo nomerika io.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.